<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G. Ruud</author>
<title>Jehovah tsy mba manadino FFPM26</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah tsy mba manadino
 Ny mpanompony manoa,
 Fa hotsarovany ireo mino
 Nofidiny ho Azy koa.
 Manerinerina ambony
 Ny fiandrianany ;
 Kanefa kosa re ny fony
 Mitsinjo izay ambany.

[V2]
 Izaho dia ravoravo
 Ka midera Azy izao ;
 Fahasoavanao, Ry Avo,
 No namonjy hatrizao,
 Fahavokisan'ny fanahy
 Ary fisandratana
 No hotantaninao ho ahy :
 Ny foko mankalaza.

[V3]
 O, mifalia ry Israely,
 Fa vonjen'ny sandriny ;
 Mba matokia dia hahery
 Antsoy ny Anarany :
 Mpanomponao ity mitalaho,
 Ka henoy ny hatako,
 O, ry Mahery, inty aho !
 Ny sitrakao ekeko.</lyrics>
<hymn_number>26</hymn_number>
</song>